Sosialy

Toamasina Olona 25.000 amin’ireo 300.000 no mba nahazo fanampiana


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Vao 25.000 monja ireo olona nahazo fanampiana avy tamin’ny fanjakana hatreto ho an’i Toamasina raha mahatratra 300.000 isa ireo ny mponina any an-toerana hoy ny solombavambahoaka voafidy ao Toamasina I Roland Ratsiraka omaly

 

 raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy. Amin’izay hoy izy dia mbola hilaharana be sy hitangoronana ihany ilay fanampiana Vatsy Tsinjo sy Tosika Fameno izay nomarihiny manokana fa antony iray tena mampahazo vahana ny tsimok’aretina coronavirus any an-toerana. Sefom-pokontany iray mpitsinjara izany no nomarihiny omaly fa tratry ny COVID 19 vokatr’izay fifampikasohana diso tafahoatra izay. Miantso ny fanjakana mba hanafoana ity famoriana olona amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana ity araka izany ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka. Hatsaharo hoy izy ny fihibohana ary avelao ny olona hiasa saingy manaja ilay fepetra ara-pahasalamana kosa toy ny fanaovana aron-tava, ilay elanelana 1 metatra… Ho an’ireo faritra tena ahitana ilay tsimok’aretina kosa dia nanolo-kevitra ny fanjakana izy mba hampiharana ilay fihibohana mitokana. Ny miaramila no hampiasaina hoy izy hanara-maso ny fivoahan’ireo olona mivoaka sy miditra ao amin’ ilay toerana ary raisina avokoa ny anarany. Hatao fitiliana avokoa ny olona ao amin’ilay toerana hoy hatrany izy, omena aron-tava ary tsy avela raha tsy voafehy ilay aretina. Nomarihiny moa fa mitovy amin’ny olona any Senegal ny mponina eto Madagasikara tsy mahatanty fihibohana tambabe lava loatra fa tsy maintsy mitady ny sakafo hohaniny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT