Sosialy

TOAMASINA Nitokona indray ireo mpitondra tuk tuk


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Nitokona fanindroany nidina an-dalam-be indray ireo mpitondra “tuk tuk” miisa 1911 ao Toamasina ny sabotsy teo.

 

 

Noho ny mbola tsy nahazoan’izy ireo feno ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana no anton’izany. Mahatsiaro reraka izahay hoy izy ireo satria tsy avela miasa. Ny vatsy nampanantenaina anefa hoy izy ireo tsy voahefa ara-dalàna ka tokony handray fepetra ny Fitondram-panjakana. Tokony manao safidy izy ireo hoy hatrany ireo mpitondra “tuk tuk” ka na mamela anay hiasa malalaka na manafainga ny fizarana ny fanampiana fa mosarena ireo vady aman-janakay. Niazo avy hatrany ny gymnase Soavita toerana hizarana ny fanampiana izy ireo tamin’izany no sady nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana. Fantatra tamin’izany fa ny isan’ireto mpitondra tuk tuk ireto  miova isan’andro no antony mbola tsy hahatongavan’ny fanampiana ka naverina nanoratra anarana indray izy ireo. Tena tsy nahafa-po ireo mpitondra tuk tuk izany valin-teny izany. Efa im-betsaka mantsy izy ireo no nasaina nisoratra anarana saingy ny eo ihany no eo, tsy misy fiovana. Miantso ny Filoham-pirenena mivantana araka izany ireo mpitondra tuk tuk ao Toamasina mba hijery akaiky ny olana sedrain’izy ireo no sady hanara-maso ny fizarana ny fanampiana ihany koa sao dia misy manararaotra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT