Sosialy

Toamasina Mafotaka ny fanalana mpivarotra amoron-dàlana


  • Talata 15 Septambra 2020

Nesorin'ny avy eo anivon'ny fiadidiana ny tanànan’i Toamasina avokoa omaly ireo tsena rehetra voalaza fa tsy manara-dalàna manodidina ny Bazary kely.

 

 

Isan'izany ireo mpivarotra Matelas sy ny tsena maro samihafa izay sokajiana ho fositra mahatonga fitohanan'ny fifamoivoizana sy manimba ny endriky ny tanàna. Efa iaraha-mahita ihany koa fa mandoto no sady manaratsy endrika ny tanàna ny mpivarotra amoron-dalana, efa hita eto Antananarivo izany Etsy ankilany, mimenomenona ireo mpivarotra, ary milaza fa mandoa vola matoa mivarotra eo. Tsy mety ihany koa ny fanesorana azy amin'io toerana io anatin'izao fahamehana izao, hoy hatrany ireo mpivarotra, satria mbola anatin'ny tena fitadiavana ny rehetra.Mazava ho azy fa maro no very asa noho ny krizy ara-pahasalamana, ka ny vola maika hita hatramin’izay dia ny mivarotra satria tsy maintsy mihinana sy mitafy ny ankohonana.Heveriny samy manana ny rariny sy hitsiny ny andaniny sy ny ankilany eo anatrehan’ity toe-javatra ity, ny fahaizana mandamina ihany no tena vahaolana fa raha samy mihizingizina amin’ny heviny dia tsy hisy zava-banona.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT