Sosialy

Toamasina II Nitokona ireo mpitatitra sy mpivarotra fasika


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Nanaitra ireo tompon’andraikitry ny kaominina Antetezambaro Tetezamaro disitrika Toamasina II mikasika ny fiaraha-miasa eo amin` ny mpitantana ny kaominina ny fikambanan` ireo mpitatitra sy mpivarotra fasika ao Toamasina (FMMFT).

 



Misy, araka ny fanazavana, olana amin` izay fiaraha miasa izay indrindra eo amin` ny fitakiana tamberim-bidy ataon` ny kaominina. “Ny 06 feborary dia nanantona ny ben` ny tanàna ny fikambanana. Nisy fifanarahana (convention) nifanaovana saingy tsy navaokan` ity ben` ny tanàna ity raha tsy ny volana jolay izany no sady mbola tsy nifanaraka tamin` ny zavatra nodinihana sy notapahina. Misy hatrany ny fitakiana tamberim-bidy (ristourne) kanefa raha tokony ho izy dia mijanona 19 martsa izany satria nanomboka teo ny fihibohana” hoy Rakotondrazafy Jeremia, filohan` ny FMMFT. Namafisiny hatrany fa tsy voahaja io fifanarahana io. Etsy ankilany kosa dia nanambara ny ben` ny tanànan`Antetezambaro, Andriamihaja Jeannot Désiré, fa efa voavinavina niaraka tamin ireo tomponandraikitry ny faritra io sandan io tamberim-bidy io. Tsara no manamarika fa saika avy amin` ity kaominina ity avokoa ireo fasika sy vato trandrahina amin` ny fanorenana trano ao Toamasina ary miisa 285 ireo miantsehatra amin` izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT