Sosialy

Tetikasa Welight Tanàna roa vaovao indray no nahazo herinaratra


  • Zoma 11 Septambra 2020

Tokantrano mihoatra ny 10.000 isa no efa nahazo herinaratra tamin’ny Welight hatreto hatramin’ny fotoana niasan’ity tetikasa ity teto Madagasikara. Na dia ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza anefa isika dia mitohy hatrany ny asan’izy ireo hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana.

 

 

Tanàna roa vaovao ahitana an’i Mahavanona any amin’ny faritr’i DIANA sy Ambatoharanana any amin’ny faritr’Analanjirofo indray no nisitraka izany tamin’ity herinandro ity. Miara-miasa amin’ny Welight amin’ny fanatanterahana izany ho an’ireo tanana roa ireo ny ADER. Hatreto dia olona mihoatra ny 3.000 isa no mahazo tombontsoa mivantana amin’ny alalan’ny angovo madio sy azo havaozina azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Tanjon’ny tetikasa ny hanampy ireo tanana any ambanivohitra hanana fiainana toy ny eto an-tanan-dehibe ka anisan’ireny ny fahafahan’ny mpianatra mamerin-desona amin’ny jiro mazava amin’ny alina indrindra amin’izao ankatoky ny fanadinam-panjakana BEPC izao. Eo ihany koa ny mba hahafahan’ireo tantsaha mpiompy manitatra ny asa fiompiana mila jiro sy hazavana tanterahiny.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT