Tetikasa tetikasa Rano Maharitra sy Dio Sera

Olona miisa 742.000 no hahazo tombotsoa


  • Zoma 31 Mey 2024

Vao ny 50%-n’ny Malagasy no misitraka rano fisotro madio hatreto.

Mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy hananan’izy ireny foto-drafitrasa manara-penitra mifandraika amin’izany ary dia raikitra ilay tetikasa Rano Maharitra sy Dio Sera. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Malagasy amin’ny governemanta Amerikana amin’ny alalan’ny USAID na sampandraharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana. Handaniana 35 tapitrisa dolara izy ity ary haharitra 5 taona. Mikendry ny fanatsarana ny fahazoana sy ny fampiasana rano fisotro madio, fanadiovana ary ny fahadiovana ho an'ny tokantrano ambanivohitra ity tetikasa ity no sady hitondra anjara biriky amin’ny vokatra ara-pahasalamana any Vatovavy, Fitovinany, Sofia, Betsiboka, Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Olona maherin'ny 742. 000 no hahazo tombontsoa amin’ny fisitrahana ezaka fanadiovana, ka ny 312.000 no mahazo rano fisotro. Toraka izany koa ilay tetikasa Diosera. 10 tapitrisa Dolara indray no holaniana amin’ity farany ka olona miisa 175.000 no hahazo tombontsoa. Tanan-dehibe miisa 3 no hisitraka izany dia ny ao Mahajanga sy Fianarantsoa ary Toamasina.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT