Sosialy

Tetikasa Tanamasoandro Fianakaviana 146 no efa nanaiky hivarotra ny taniny


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Fianakaviana miisa 146 hatreto no fantatra fa efa nanaiky ny hivarotra ny taniny amin’ny Fitondram-panjakana mikasika ny fanatanterahana ilay tetikasa Tanamasoandro izay hatomboka etsy Ambohitrimanjaka.

 

 

 

Raha araka ny fanazavan’Atoa Rateloson Philippe, tale jeneralin’ny APIPA  izay tompon’andraikitra ao anatin’izany dia tsy nisy ny fifampiresahana be teo amin’ny roa tonta saingy ireo vahoaka kosa no tonga nanatona tetsy Andohatapenaka misy ilay « guichet unique »  natsangana tamin’izany fotoana. Nitondra ny taratasy maha-azy ara-dalana ny tany ireto farany nandritra izany no sady nanadihady ihany koa toa ireo mponin’Itaosy izay fantatra fa mety ho lasibatra amin’ny fanatanterahana io tetikasa io ihany koa.  Fantatra  ary fa afaka roa herinandro eo ho eo no handoa ny volan’izy ireo ny Fitondram-panjakana. Nambaran-dRateloson Philippe hatrany moa fa hisy ny fananganana ilay “Commission administrative d’évolution” ato ho ato hiandraikitra ny mety ho tohin’ny raharaha miampy ilay “guichet unique” vaovao ahitana ny sampandraharaha rehetra toy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany, ny ministera isan-tsokajiny.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT