Sosialy

Tetikasa SWIOFish2 « Complexe Pêche » miisa 21 no hatsangana amina faritra 3


  • Alarobia 19 Oktobra 2022

Notanterahina tany amin’ny faritra Analanjorofo, distrika Maroantsetra sy distrika Mananara Avaratra, ny fametrahana ny vato fototra ho fanombohana ny fotodrafitrasa fananganana ny « Complexe Pêche »

miisa 2 omaly talata 18 sy anio alarobia 19 oktobra 2022, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ireto fotodrafitrasa ireto dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahina ny praograma izay tosika ataon’ny tetikasa SWIOfish 2, eo ambany fiahiana ara-teknikan’ny ministeran’ny jono sy ny toekarena manga. Miisa 4 ny « complexe Pêche » izay atao any amin’ny faritra Analanjorofo ka 2 ao amin’ny distrika Maroantsetra ary 2 ao Mananara Avaratra. Fotodrafitrasa ahitana tsena mitafo, birao ho any mpitantatana, efitrano fivoriana, “château d’eau”, “chambre froide” ary “fabrication de glace” izany. Ahaleotena tanteraka ity fotodrafitrasa ity amin’ny herinaratra satria dia angovo azo avy amin’ny masoandro no ampiasaina. Notarihin’ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Mahantante Paubert, ny delegasionina nanantanteraka ny fametrahana ny vato fototra. Namafisin’ny minisitra ny maha zava-dehibe izao fotodrafitrasa izao satria dia hanampy betsaka ireo mpanjono madinika aty amin’ny faritra izany afahan’izy ireo mitahiry ny vokatra izay azo, ho fanantanterahina ihany koa ny veliranao faha 9 nataon’ny filoham-pirenena ny amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo. Mponina miisa 6 000 eo ho eo no misitraka mivantana ireto fotodrafitrasa miisa 2 ireto any amin’ny faritra ary mpanjono madinika miisa 250 no mihoatra no mahazo tombontsoa amin’ny fisian’izy ireto. 21 no isan’ny « complexe pêche » ho hatsangana izay tafiditra anatin’ny tetikasa SWIOFish2 manerana ny faritra miisa 3 dia Diana, Melaky, Analanjorofo. Raha tsiahivina dia tetikasa entina mampiroborobo ny fari-piainan’ireo mpanjono madinika ny tetikasa SWIOfish2 ary ihany koa tosika ho fandraharahana na « appui institutionnel » ho an’ny ministeran’ny jono sy ny toekarena manga, hoy hatrany ny tati-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT