TETIKASA PRODUIR

Manangona boky hovakian’ ireo ankizy sy tanora


  • Zoma 22 Martsa 2024

Mitohy ny fanangonam-boky tanterahin’ny tetikasa Produir eto amin’ny

tananan’Antananarivo renivohitra. Raisin’izy ireo avokoa rehefa mety ho boky mampitombo fahalalana sy mampivelatra ny sain’ny tanora sy ny ankizy raha araka ny fantatra ary mety foana ihany koa na amin’ny fiteny Malagasy na amin’ny fiteny Frantsay. Toerana miisa dimy hatreto no hahazo tombontsoa amin’ny fahazoana izany boky izany dia ny Fokontany Ambanilalana Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Ny ao Andohatapenaka I sy II miampy ny Fokontany Andohomadinika sy III G Hangar kosa no hahazo tombontsoa amin’izany ho an’ny eto Antananarivo renivohitra. Tanjon’ny tetikasa ny mba hahafahana manangona boky hovakian’ny ankizy sy ny tanora eny anivon’ny Fokontany ka tsy handeha lavitra intsony izy ireo vao hahita tranom-boky hanaovana fikarohana na koa hitady boky hovakiana. Boky an-jatony moa hatreto no efa voahangon’ny tetikasa, raha araka ny fantatra hatrany.
Pati
Legende : Mitondra haren-tsaina be dia be ny famakiana boky tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT