Tetikasa PRODUIR

Andalam-pahavitana ireo trano etsy Andavamamba


  • Zoma 28 Febroary 2025

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanajariana an’Antananarivo ny tetikasa PRODUIR (Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience)

vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena. Miompana ny fanadiovana ny lakandrano C3 Anosibe hatrany Ambodimita, mikendry ny hanatsara ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva amin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra sy ny fanadiovana lakandrano ho fisorohana ny tondran-drano. Mirefy 12 km ny lakandrano C3 kasaina hodiovina, mba hanamora ny fikorianan’ny rano, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra. Hatramin’izao, efa vita 71% amin’ny asa, ka 115 000 m³ ny fotaka esorina sy haodina alohan’ny fandefasana azy any Iarinarivo, raha ny tatitra. Tsy maintsy nesorina ireo trano hazo nanamorona ny lakandrano, ka namoronana trano vaovao mahazaka fianankaviana 3 isaky ny iray, izay ireo nanaiky nesorina tsy nisy fanonerana no hisitraka izany, ka tsy misy vola alohany. Tokantrano miisa 84 no hipetraka amin’io toeram-ponenana vaovao io, izay ahitana trano 29 misy rihana 1 avy, ary hizara « appartements » 87. Tonga nijery izany ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena sy ny Solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara Atoa Atou Seck omaly.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT