Sosialy

Tetikasa PECEB via logiciel VIEN Tsy ho taraiky amin’ny fahaizana lalàna intsony ny vahoaka


  • Talata 12 Novambra 2019

Tsy mahay lalàna ny ankamaroan’ny sarambabem-bahoaka ankoatra ireo nianatra izany manokana.

 

 Anisan’ny antony nanosika an’i VIEN Jean François Mozambique hamorona ilay tetikasa PECEB ( Programme d’éducation civique de base pour la vulgarisation de l’information juridique via logiciel Vien) izany, izay nampahafantariny tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny IFM Analakely ny faran’ny herinandro  teo. Rindrambaiko (Logiciel) vaovao noforonina ankizy mpianatry ny oniversite any Antsiranana efatra mianadahy izy ity, tao anatin’ny efa-taona. Ireo karazana lalana nanomboka tamin’ny taona 1997 dia ho hita ao anatiny avokoa ka raha amin’ny teny Frantsay no hanombohana izany amin’izao fiandohany izao dia hisy ihany koa amin’ny fiteny Malagasy, anglisy, … atsy ho atsy arahin’ny feo re mivantana ho an’ireo tsy dia liana amin’ny famakian-teny loatra. Tanjon’ny mpikarakara ny hahafahan’ny rehetra mahafantatra ireo karazan-dalàna amin’ny alalan’ity logiciel vaovao ity amin’ny alalan’ny finday ho fampiroboroboana ny teknolojia ihany koa. Lohalaharana amin’izany ireo mpianatra any amin’ny faritra izay voatery miakatra eto an-drenivohitra mihitsy mba hanao fikarohana. Ny fikambanana AID Madagascar izay misy an’i Vien moa no niandohan’ny hevitra voalohany, niorina tamin’ny 13 martsa taona 2016. Anisan’ny Ray mpanohana an’i Vien Jean François ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT