TETIKASA PAPRIZ ANDIANY FAHATELO

Madiva hifarana, fahombiazana no azo hatreto


  • Zoma 18 Jolay 2025

Hifarana amin’ny volana Novambra ho avy io ny tetikasa Papriz andiany fahatelo,

vatsian’ny JICA na ny Agence Japonaise de Cooperation Internationale vola rehefa naharitra 5 taona. Nisy ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitra mikasika ny zava-bita sy nanoloran’ireo mpikambana eo anivon’ny komity soso-kevitra omaly tetsy amin’ny Hotel le louvre Antaninarenina narahin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny tetikasa. Nivoitra nandritra izany fa tena fahombiazana no azo tamin’ity tetikasa ity teo amin’ny sehatry ny Fambolena ho an’ireo faritra 12 hiasan’izy ireo eto amintsika. Ho an’ny voka-bary ohatra dia nahazoana 5 taonina isaky ny ha izany. Niakatra hatrany amin’ny 200% ihany koa ny famokarana masomboly voafantina notanterahin’ny FOFIFA, raha niakatra ihany koa ny fampiasana fitaovam-pamokarana fa tsy toy ny teo aloha. Na izany aza anefa raha araka ny fanazavan-dRtoa Zoelinirina Patricia, mpandrindra nasionaly eo anivon’ny tetikasa Papriz dia mbola olana ho azy ireo ny fifehezana ny rano sy ny resaka foto-drafitrasa izay tsy maintsy hitadiavam-bahaolana. Toraka izany koa ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny haintany eto amintsika izay tena manimba ny fambolena. Tsiahivina fa efa nahatratra 4.000 isa ireo tantsaha mpampiofana novolavolain’izy ireo raha efa tafakatra 2 hetsy ireo tantsaha tsotra nahazo fiofanana.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT