Sosialy

Tetikasa “Maharo” 36 tapitrisa dolara Olona 276 398 hahazo tohana sy tantsoroka


  • Zoma 12 Martsa 2021

Olona miisa 279 398 avy amin’ny tokantrano 55 880 isa sokajiana ho tena marefo ao amin’ny distrikan’i Beloha sy Tsihombe,

 

 faritra Androy sy distrikan’Ampanihy faritra Atsimo Andrefana no hisitraka ny Tetikasa “Maharo”, haharitra 5 taona, izay mitentina 36 tapitrisa dolara, famatsiam-bolan’ny governemanta amerikanina USAID Food For Peace. Hojeren’ny tetikasa manokana ireo vehivavy bevohoka sy mampinono, ireo tokantrano tena sahirana tantanan’olon-tokana nefa mamelona olona maro ary ny tanora 10-30 taona. Tanjona ankapoben’ny tetikasa “Maharo” ny hitandrovana sy hampihenana ny tsy fahampiana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ireo distrika ireo. Mpamokatra 25 600, mpanjono 2100, ary mpiompy 31 580 no hahazo tohana eo amin’ny sehatr’asany avy. Hiara-hiasa akaiky amin’ireo teknisianina’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ary ny Jono ny tetikasa momba ireo teknikam-pamokarana maharitra sy mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ho fanamafisana izany fiaraha-miasa izany dia nisy ny fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miombon’antoka teo amin’ny CRS (Catholic Relief Service) tamin’ny alalan-dRtoa Carla Fajardo, solontena maharitry ny CRS monina eto Madagasikara sy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien Ranarivelo omaly alakamisy 11 martsa 2021 tao Ampandrianomby.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT