Sosialy

Tetikasa lala-mikodana Hisy By pass vaovao hampitohy an’Itaosy sy Fenoarivo


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Tsy mitsaha-mitombo ny mponina eto Antananarivo. Toraka izany koa ny filàna toy ny lalana…

 

 

antony nanosika ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy hanatanteraka ilay tetikasa lala-mikodana. Toy ny eny amin’ny By pass izy io raha ny vaovao azo izay fantatra fa hiainga eny Andavamamba handalo ny lalana eny amin’ny digy, hihazo an’Andranonahoatra, mipaka hatreny Fenoarivo Atsimondrano. Kaominina dimy raha kely no voakasika amin’izany toy ny kaominina Andranonahoatra, Itaosy, Ambavahaditokana, Ampitatafika ary Fenoarivo izay samy eny Atsimondrano avokoa. Efa mamolavola ny drafitra fiahiana ireo hafindra toerana ( DFVT) ankehitriny ny minisitera tompon’andraikitra ary hiroso amin’ny fanadihadiana maro isan-tsokajiny. Anisan’ireny ny fisian’ireo trano na tany na fotodrafitrasa hafa mety hokitihina…. Efa nanomboka ny 20 janoary lasa teo izany fanadihadiana izany hifarana ny 18 febroary. Ho an’ny fokontany Fenoarivo, kaominina Fenoarivo manokana dia nisy ny 23 janoary lasa teo ny fivoriambem-pokonolona nentina nampahafantarana ity tetikasa ity, hahafahana mampiomana ny olana. Tanjona amin’izao tetikasa izao moa ny hahafahana miady amin’ny fitohanana lavareny eto an-drenivohitra ankoatra ny fanitarana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT