TETIKASA KOPAKELATRA

Tavoahangy plastika 156 T no voahangona tao anatin’ny 7 taona


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Nanomboka ny taona 2019 no notanterahin’ ny orinasa Star teto amintsika ny Tetikasa Kopakelatra.

Fanangonana ireo tavohangy plastika efa niasa no tanjona tsy misy fanavahana marika, ary ny famadihana azy ireo ho fitaovana isan-karazany azo am-piasaina amin’ny fiainana andavanandro. Vata fanangonana miisa 133 no miparitaka ary misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Star sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany amin’ny fanatanterahana izany. Manena ireo fiantraikany ara-tontolo iainana ateraky ny famokarana hataony ity orinasa iray ity ary mandray ny andraikiny amin’ny fitrandrahana ireo fako ihany koa. Mandalo antanan-tohatra mazava ireo tavoahangy voahangona toy ny fanavahana, ny fanadiovana, ny famotehana ary famadihana azy ho fitaovana vaovao. Tavoahangy 5,4 tapitrisa, izany hoe : manodidina ny 156 taonina no voahangona nanomboka ny taona 2019 ary navadika ho potina plastika na ihany koa ireny karazana kofehy madinika ireny izay atao anaty akanjo na hamoronana pavés autobloquants, seza, latabatra na doudoune. Dingana voafehy, etika, ary manaja ny tontolo iainana no hahazoana ireo rehetra ireo.Hamafisina ny fandraisan’andraikitra, hampitomboana ny vokatra. Manamafy ny ezaka hataony amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Star. Miroso amin’ny fampivoarana ny fandraisany andraikitra ny Kopakelatra izay hihitatra amin’ny toerana hafa vaovao sy hampitombo ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka hafa.
Pati
Legende : Hahavitana doudoune tsara tarehy tahaka izao ihany koa ny tavoahangy plastika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT