Sosialy

Tetikasa Kitra Iombonana Hitsirihana ireo ankizy mahay baolina eny amin’ny Fokontany


  • Alarobia 09 Jona 2021

Nosantarina omaly tetsy amin’ny kudéta Carlton Anosy ny dinidinika savaranonando mikasika ny « Kitra iombonana »,

 tetikasa iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny « Kintana Académie Football Club ». Noresahina tamin’izany ny fomba hanatanterahana ny tetikasa izay niarahana tamin’ny tompona andraikitra ny fanatanjahantena sy ireo Delegen’ny Boriboritany miisa enina an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ireo mpitarika mpamolavola ny Kintana Akademia eo amin’ny taranja baolina kitra. Ankizy 13 taona hatramin’ny 16 taona izay tena sahirana nefa manana talenta amin’ny baolina kitra eny anivon’ny Fokontany ao anatin’ny Boriboritany enina no hojerena manokana amin’ity tetikasa ity. Tanjona ny hamolavola ireo ankizy ho matihanina ary ampiana mba ho tafita amin’ny fiainana eo amin’ny sehatry ny Baolina kitra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT