Tetikasa « Innovation Challenge »

Hampiroborobo ny famokarana amin’ny alalan’ny teknolojia


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Raikitra ny « Innovation challenge » sehatra ho fampivelarana sy hampiroboroboana ny famokarana

amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra, izay natomboka ofisialy ny faran’ny herinandro teo. Fandaharan’asa tohanan’ny FSRP (Food Systems Resilience Program for Eastern and Southern Africa) vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola hatrany amin’ny 200 tapitrisa dolara. Eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana na ny MINAE. Ny Fifaninana "Innovation Challenge" dia fitaovana mitondra hainga vao ary mikendry ny hampivelatra ny sehatra haitao ara-kajy mirindra, ka natao 13 septambra 2024 ny fanaingana izany, izay natrehin'ireo mpiara-miombon'antoka maro, mpisehatra amin’ny famolavolana sehatra nomerika sy vahiny manakaja maro. Nisy nandritra izany fotoana izany ny laobary an-dasy nitondra ny lohateny : « Panel sur l’innovation technologique dans le secteur de l'Agriculture et de l'Élevage ». Hamporisihana ao anatin’ny tetikasa ireo tanora manana talenta ao anatin'ny haitao ara kajy mirindra, ka hanolotra vahaolana sy zava- baovao ara-teknolojia eo amin'ny sehatry ny famokarana. Hisy ny fifaninanana miompana amin’ny: Fananganana ny lisitry ny mpamokatra, fanolorana ny vidim-bokatra, fanomezana Vaovao momban'ny toetr'andro hahafahana manatsara Famokarana, fanolorana toro-hevitra sy fampandrenesana manokana na antso fanairana mahakasika ny fahasalaman'ny biby na ny fahasalaman'ny zava- maniry. Hihatsara noho izany ny fifandraisana sy ny fahombiazan’ny mpamokatra amin'ny alalan’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra. Isan’ny voaresaka ny « plateforme 3-2-1 » laharana maitso afaka mampifandray ireo mpividy sy mpivarotra trondro. Nilaza vahaolana ny Agri-tech Mada ny amin'ny faminavinana mialoha ny mety ho vokatra amin'ny alalan'ny météo sy ny sary azo avy amin'ny satellite. Ny « micro irrigation » na ny « système d'irrigation goute à goute » ihany koa dia vahaolana ny amin'ny fitsitsian-drano. Nisongadina ihany koa ny vahaolana ho entin'ny « deep farm » izay tarihin'i Steave Leong, izay famantarana mialoha ny aretina sy ny mety ho voka-bary amin'ny alalan'ny « drone » sy ny IA (intelligence artificielle). Fikarohana ihany koa ny fomba fambolena mety indrindra sy ny zezika mifanaraka amin'ny tany eto Madagasikara,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT