Sosialy

Tetikasa FIAVOTA Tokantrano 67 440 no nahazo tombotsoa tany Atsimo


  • Zoma 27 Mey 2022

Faritra roa isan’ireo miaina ny voka-dratsin’ny haintany, ny fiovan’ny toetrandro, kere,…ny ao Anosy sy Androy.

Maro ny tetikasa ho fanohanan’ny governemanta Malagasy azy ireo ka isan’izany ny tetikasa FIAVOTA, haratonaina fiahiana ny mpiara-belona, izay arindran’ny Minisiteran’ny Mponina ary tanterahan’ny FID na ny « Fonds d’intervention pour le développement ». Tao anatin’ny 6 taona nisian’ny tetikasa tany an-toerana dia tokantrano miisa 67 440 avy ao amin’ny distrikan’Ambovombe,
Tsihombe, Beloha, Bekily, Amboasary Atsimo no nisitraka tohana ara-bola manomboka amin’ny 40.000 Ariary hatramin’ny 60.000 Ariary sy tan-tsotoka maro toa ny fampianarana amin’ny fomba fampiroboroboana ny famokarana, fitaizana sy fampivoarana ny zaza madinika, fanabeazana amin’ny
fitatanam-bola sy fandraharahana, fampianarana mamaky teny sy manoratra. Kendrena ao anatin’izao fanohanana izao ny hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny zanany 6 hatramin’ny 14 taona an-tsekoly ary koa ny hampandroso sy hanatsara ny seha-piharian’izy ireo.

Lalaina Rav

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT