Sosialy

Tetikasa CASEF Mampiofana ireo tantsaha ho mpitarika


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Niompana tamin’ny fikajiana ny tontolo iainana hisorohana ny fanapahana hazo ny

 

 

fiofanana an`ireo tantsaha mpitarika na « paysan relais » miisa 20 ao amin’ny Faritra Atsinanana omaly. Betsaka tokoa ny hazo tapaka vokatry ny fambolena sasany hatao any an-toerana toy ny garana sy kanelina ohatra, ka nozahana ny fepetra raisina hisorohana izany. Araka izany, nampahatantarina ireo fihetsika hatao amin’ny andavan’andro manimba ny tontolo iainana sy ny tokony hatao isorohana izany. Teo koa ny fiarovana ny fananan-tany ka hisy ny fikarakarana fanamarinana fanajariana ho an’ireo tantsaha mpamboly hanamarinana ny mahatompon-tany nana-maintimolaly ny tany azy ireo, hiarovana azy ireo amin’ny lafiny fananan-tany. Amin’ity volana ity moa dia hiara-kiasa amin’izy ireo koa ny CASEF hanao tombana ny isan’ireo hazo simba hahafahana manolo izany mba hanarenana ireo ala simba.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT