Sosialy

Tetikasa “Aqua-kere” Olona 500 000 no hahazo tombotsoa any atsimo


  • Talata 08 Febroary 2022

Ny 87%-n’ireo mponina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy no lasibatry ny fahantrana tanteraka amin’izao indrindra fa ny any ambanivohitra.

 Ankoatra ny hanohanana izay manjo azy ireo vokatry ny haintany mantsy dia tapitra maty avokoa ny biby fiompy sy ny fambolena, antony manosika ny Vondrona Enara, ny fikambanana Defi ary ny fikambanana Manampy hifanome tanana amin’izy ireo. Amin’ny alalan’ilay tetikasa “Aqua-kere” no hanatanterahan’izy ireo izany ka hisy ny fanamboarana vovon-drano izay vinavinaina hamokatra rano 100 m³ isan’andro. Toraka izany koa ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro…. Olona manodidina ny 100.000 isa no kendrena hahazo tombontsoa amin’izany ao anatin’ny 5 taona hanaovana ny tetikasa raha omena hotantanan’ny fikambanana kosa ireo foto-drafitrasa vao hatsangana. Tontosa omaly moa ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny Vondrona Enara, ny fikambanana Defi ary ny fikambanana Manampy izay hifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany. Tanjon’ny telo tonta ny hahafahana manafoana mian-dalana ny fahantrana mianjady amin’ireo mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ateraky ny kere arahin’ny fitazonana azy ireo mba hotamana any amin’ny faritra misy azy ho enti-miady amin’ny fifindra-monina.
Pati
Legende : Tena mila fanampiana ireo mpiara-belona any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT