Sosialy

Tetikasa AFAFI-Nord Mampivoatra ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana


  • Talata 24 Novambra 2020

Manampy ireo mponina manerana ireo faritra 3 eto amintsika ny tetikasa AFAFI-

 

 

Nord dia ny faritra Sava, Diana ary Analanjirofo. Mitentina 50 tapitrisa Euros ny vola hampiasaina ao anatin’izany, tafiditra ao anatin’ilay FED andiany faha-11, vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola. Kaominina miisa 24 no mahazo tombontsoa amin’izany hahatongavana amin’ilay fambolena sy fiompiana maharitra sy hahazoana tombony entina hanatsarana ny fari-piainan’ireo mponina eny ifotony. Nanomboka ny 19 Oktobra lasa teo no nanatanteraka ny tetikasa, raha araka ny fanazavan-dRajaobelomanana Onisoa, tompon’andraikitra eo anivon’ny BACE, rantsana iray eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny vola sy ny teti-bola. Tanjona goavana ao anatin’izany ny hahafahana manatsara ny toe-karena eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fikojakojana sy fanamboarana ary fanavaozana ireo karazana foto-drafitrasa misy. Lohalaharana amin’ireny ohatra ny toho-drano, ny fanomezana fitaovam-pambolena ireo tantsaha mpamokatra, ny fanatonana ireto farany hahafahana mamantatra ny tena hetahetany toy ny fitadiavana lalam-barotra.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT