Sosialy

Tetikasa 930 Hiatrehana ny loza voajanahary


  • Zoma 20 Septambra 2019

Notoloran’ny Fondation Telma fitaovana manaraka ny toetrandro ny fikambanana Medair hanampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa 930 izay ahafahana manaitra mialoha ny olona raha sendra tojo loza voajanahary.

 

 

 

 Manamarika ny faritra Avaratra Andrefanan’i Madagasikara iny ny fisian’ny tondra-drano na dia tsy misy rivodoza matetika aza. Noho izay indrindra dia miisa 58 ny finday miaraka amin’ny puce, 5 ny tablettes nomena ny fikambanana Medair. Tanjona ny hanampiana ny mponina mipetraka any amin’ny distrikan’Ambanja, izay nosafidiana manokana noho ny tondra-drano mateti-piavy any mba ahafahan’izy ireo miatrika am-pitoniana izany ary mandray ny fanairana mialoha, mandritra ary aorian’ny loza. Ny fikambanana Medair dia misahana ny fanampiana amin’ny lafiny maro amin’ny fiatrehana ny tondra-drano. Miara-miasa amin’ny Birao Nasionalin’ny Fitantanana ny Loza Voajanahary (BNGRC) sy ny Fondation Telma izy ireo ary misehatra any amin’ny toerana marefo indrindra indrindra.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT