Sosialy

Tetibola hiatrehana ny fety 50.000 Ar ny farany ambony ho ana tokantrano maro


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Roa herinandro latsaka sisa dia higadona ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona.

 

 

Fety manan-danja tokoa izy ireo ho an’ny isan-tokantrano ka tsy vitsy ireo mandany volabe tokoa hahafahany mampifaly ny ankohonana, indrindra fa ny ankizy. Ho an’ny sasany dia misy tetibola manokana mihitsy izy io isan-taona miaraka amin’ny fialan-tsasatra kely mialoha ny hitsenana ny taova vaovao 2019. Tamin’ity taona ity anefa dia mifanohitra amin’ny zava-misy niainan’ny hatramin’izay no misy. Tsy manana tetibola manokana hiatrehana ny fety ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Raha misy aza dia 50.000 Ar monja noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny olana maro samihafa. Anisan’ireny ireto olona sendra ny gazety Tia Tanindrazana ireto.

Rtoa  Nivo, renim-pianakaviana niteraka roa :  Ny anay tena tsy misy mihitsy ny tetibola. Efa hiantohan’ny orinasa daholo ihany koa amin’ny ankapobeny ny vary, ny menaka, ny sôkôla, ny vatomamy, ny bisikoitra, ny vorona. Mikasika ny kilalao indray efa lehibe daholo ny ankizy dia tsy mividy intsony izahay.

 

Hasina, mbola mpitovo : Ny anay tena tsy misy  tetibola manokana  izany rehefa fety. Raha manokana angamba dia eo amin’ny 50.000 Ar eo hividianana kilalao ho an’ny ankizy sy ranom-boankazo dia hanaovana laoka tsaratsara. Rehefa fety mihitsy vao mividy dia hita eo izay lany.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT