Sosialy

Tetezan-kazo Andrianalefy Androhibe Notoherin’ny mponina ny fanalana azy


  • Talata 15 Mey 2018

Notoherin’ny mponina hatramin’ny farany ny fikasan’ny polisy kaominaly iraky ny CUA hanala ny tetezan-kazo mampitohy an’ity toerana ity amin’ireo cité eny Ivandry noho ny fitarainan’ny teratany Karana manorin-trano handalovan’ity tetezana ity fa simban’ny dobo Charmille ny fanambanin’ny tamboho vatony izay ambarany fa efa mitolila ka mila fanarenana.

 

Efa tamin’ny herinandro lasa no nisy andiana polisy kaominaly saika handrava ilay tetezana sahabo ho 100 m mahery kely eo nefa tsy neken’ny fokonolona ao Andrianalefy kartie faha-3 ao amin’ny fokontanin’Androhibe fa tsy ry zareo irery no mampiasa an’io tetezana io hiampitana eny amin’ny Cité Ivandry rehefa hiasa sy hianatra ary hody fa mampiasa azy io koa ny avy any Analamahitsy sy avy any Ambohitrarahaba. Nifampidinika niaraka tamin’ny solontenan’ny polisy kaominaly roa ary omaly alatsinainy 14 mey ireo mponina ao Andrianalefy Androhibe narahin’ny solontenan’ny Huissier Me Delky Sandra. Tsy mandà ny hanesorana an’ilay tetezan-kazo ny fokonolona notarihan’ny lehiben’ny faritra faha-3 ao amin’ny fokontanin’Androhibe na dia nanohitra izany aza hatreto fa mangataka kosa rehefa vita ny solony vao hoesorina satria nitaky ny 2 metatra miala ny tambohony ilay Karana manorina trano. Miankina amin’ny fifampiresahan’ny roa tonta amin’ny orinasa Albi izay nanome an’ilay tetezana ka mbola hiangaviana hamindra an’izany tanteraka ny dobon’i Charmille Ivandry izay efa neken’ny tompony Atoa Olivier Manchot ny hanaovana an’izany ny hampitony tanteraka an’ity disadisa misy eny Andrianalefy Androhibe ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT