Sosialy

Tendrombohitra Miadamanjaka Ampitatafika Nahitana tapaka filahiana nihoson-dra…


  • Alarobia 08 Mey 2019

Tsy mandry fahalemana ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

 Taorian’ilay raim-pianakaviana iray mpivarotra patizaonina nisy nanindrona antsy teo amin’ny kibony ka namoy ny ainy  andro maromaro lasa izay dia nahitana tapaka filahiana mbola nihoson-dra indray teny amin’ny tendrombohitra Miadamanjaka, faritra mampisaraka ity kaominina ity amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo ny alatsinainy teo.   Ny sefom-pokontany tao Ambodizozoro no nampandre  ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ka noraisin’ny kaominina Ampitatafika an-tanana ny fikarakarana rehetra. Anisan’izany ny fakana alika ka tokantrano iray manakaiky ity toerana nahitana filahiana tapaka ity ihany no nahatrarana olona roa mbola feno ra ny tanany ary efa nosamborina sy nanaovana fanadihadiana. Tsy mbola fantatra kosa hatramin’ny omaly nanoratanay ny vaovao momba ny tompon’ilay filahiana. Mbola baraingo ihany koa na maty izy na velona. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina, vokatry ny firongatry ny fivarotana rongony eny an-toerana no tena mahatonga ny tsy fandriampahalemana mihanaka be ao Ampitatafika.  Toerana telo raha ny voalazany no tena ahitana izany,  dia Avaratetezana,  Ambohimamory ary ny ao Atsimombohitra. Mody mivarotra enta-madinika ireo mpanao izany nefa rongony avokoa no ao ambadika, ka mampanaotao foana ny olona. Mikasika ilay raim-pianakaviana mpivarotra patizaonina moa dia fantatra fa ny rahalahiny ihany no atidoha nikotrika ny famonoana azy noho ny resaka fialonana. Diso niroborobo loatra mantsy ny varotra paty nataon’ity farany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany ka tsy zakan’ilay rahalahiny. Notsiahivin’ity Ben’ny tanàna ity moa fa anisan’ny antony mahatonga ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny faritra hiadidiany ihany koa ireo olona be dia be mpanao lalana karamain’ny Sinoa eny an-toerana ka tsy maintsy handraisany fepetra manokana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT