Sosialy

Tena efa zava-doza Simenitra 25 000Ar lasa 40 000Ar


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Miakatra izay tsy izy ny vidin'ny fitaovana fanamboaran-trano (simenitra, vy, fantsika, tafo,,...)

Tena efa tsy voafehy intsony ilay fiakaran'ny vidin'ny akora ilaina amin’ny fananganana trano ankehitriny, hoy ny mpandraharaha iray misehatra amin’ny asa vaventy. Miakatra isan'kerindro mba tsy ilazana hoe isan'andro ny vidina simenitra. “Tany amin’ny 3 volana lasa izao ny lasaka iray novidiana 25.000Ar, raha ny omaly fotsiny dia efa manafika ny 40.000ar ny iray lasaka amin’ny simenitra fanaovana béton, ilaina amin’ny fototra trano sy ny asa vaventy rehetra izy io”, hoy hatrany io mpandraharaha io. Nomarihiny fa ny tena mahagaga dia misy ny vokarina eto an-toerana izay tokony tsy hiakatra ny vidiny izany, ary misy ny hafarana avy any ivelany kanefa dia mitovy vidy izy ireo eny an-tsena. Voalaza fa misy fiakarany ny tsena iraisampirenana saingy kosa efa tsy rariny raha isan- kerinandro no miakatra satria raha manafatra entana, dia tokony ho 2 volana vao tonga aty kanefa izay simenitra tonga dia lazaina fa “arrivage” vaovao dia miakatra ny vidiny. Misy fiantraikany lehibe amin’ireo olona izay efa miroso tamin’ny fananganana trano ity fiakarana tsy mijanona ity ka mampikaikaika ny rehetra ankehitriny hoe: aiza ny fandraisaina andraikitry ny fanjakana manoloana ilay fiakarana? Sa mbola tsy miodina ilay ozinina lehibe indridra aty Afrika mpamokatra simenitra? Sa hanafatra sambo toy ny noresahina tamin’ny resaka famatsiana entana andavanandro isika hampidinana lay vidiny? hoy io mpandraharaha io. Tena mila vahaolana ilay izy sa kosa ny fanjakana sahy milaza fa ianareo no te hanao trano ka mahazaka ny vidiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT