Sosialy

Telolahy voaraoka sy nogadraina Tafaverina miasa noho ny ezaky ny randrana sendikany


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Miisa 3 lahy ireo mpiasa naato tamin’ny asany tsy nomena karama sy nogadraina tao amin’ny ozinin’ny tafika ao Moramanga noho ny fisian’ny olana tao an-toerana tamin’ny fotoan’androny.

 Niezaka ny namaha ny olana ny randrana sendikaly SVS nandritra izany saingy noho ny fisian’ny fihibohana sy ny namany dia nijanona kely izany. Omaly nanohy nifampiresaka tamin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena izy ireo, notarihin’Atoa Barison ka nivaly ny fangatahany. Ny tompon’andraikitra misahana ny maha-olona eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no nandray azy ireo ka fantatra nandritra izany fa horaisiny hiasa amin’izay izy 3 mirahalahy ireto ary aloha ihany koa ny tambin-karamany tsy voaloha hatramin’izay. Afa-po ny randrana sendikaly manoloana izany no sady nisaotra ny tompon’andraikitra ihany koa. Nomarihin’Atoa Barison manokana moa fa efa nisy ny fikarakarana nataon’izy ireo teny anivon’ny fitsarana nahafahana namaha izao olana izao.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT