Sosialy

Telo volana voalohany Tena mafy ho an’ireo sekoly tsy miankina ny niatrika azy


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Nifarana omaly zoma 21 desambra ny telo volana voalohany amin’ity taom-pianarana 2018-2019 ity.

 

 

Tena mafy no niatrehan’ireo sekoly tsy miankina  izany  raha araka ny fanadihadiana natao. Diso lava loatra mantsy; hoy i Solonandriana Lanto, talen’ny lisea La prime etsy Anosibe ny taom-pianarana 2017-2018, hany ka mbola tena kamo  ireo ankizy mpianatra. Ireo ankizy  tao amin’ny taona fahadimy sy ny fahasivy ary ny famaranana ihany  izay hiatrika ny fanadinam-panjakana vokatr’izany no nikofoka tamin’ny fianarana ho azy ireo  fa ny ankoatra izay dia noterena mafy fotsiny, eny fa na dia nanao devoara aza. Nisy tamin’ireo zavatra tsy vitan’izy ireo tamin’ity telo volana voalohany ity no tsy maintsy tohizana amin’ny telo volana faharoa arahin’ny famitana  ny fandaharam-pianarana rehetra mialoha ny hiatrehana ny famerenana amin’ny telo volana fahatelo. Nambaran’ity talen-tsekoly iray ity fa tsara ihany ny vokatra na izany aza. Niezaka hatrany mantsy izy sy ireo mpampianatra eo ambany fiadidiany nanao izay ho afany nampahery sy nampirisika ny ankizy ka tratra ihany ny tanjona. Ankoatra ny fizarana bileta izay natrehin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra omaly dia efa nosokafana tamin’ny lanonana nokarakarain’ny mpianatra ny fialan-tsasatry ny fetin’ny Noely sy ny alatsinainy sy ny talata lasa teo ka nisy ny fifaninanana hatsaran-tarehy ho an’ny tovovavy sy ny tovolahy, ny fanaovana face painting.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT