Sosialy

Telo andro taty aoriana Tsy mbola tanteraka ilay kapoakam-bary 550 Ar jiaby


  • Talata 08 Desambra 2020

Niditra andro fahatelo omaly ny fampiharan’ny Fanjakana ny fepetra ho

 

 


famerana ny vidim-bary eny an-tsena tsy hihoatra ny 550 Ar, araka ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny takarivan’ny zoma 04 desambra lasa teo. Tsy nisy fiovana firy ny vidim-bary tao anatin’izay telo andro izay na hentitra aza ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MICA) amin’ny fandefasana mpanara-maso, izay efa manao fanamiana manokana mihitsy. Any Taolagnaro aza 1000 Ar ny kapoaka, any Maromambo 1300 Ar,… Ahoana ny hifehezana an’ireny kanefa ny eto Antananarivo aza tsy voafehy ? Lasa adihevitra be moa ity toe-javatra ity ary misy mihitsy ireo mpivarotra no maneho hoe: aleonay tsy hamidy ny varinay, toy izay amidy fatiantoka. Ny Fanjakana etsy andaniny tsy te hahalala, fa toy ny baiko midina tsy arahina fepetra, na nolazaina aza fa vary 100 000 taonina no efa tonga tamin’iny faran’ny herinandro iny sy  mbola ho avy amin’ity herinandro ity. Ahoana marina ihany izy ity? Aiza ilay hoe fihenana? Sa holazaina sy ialàna bala na mody hodiana fanina indray indray hoe karazam-bary izao sy izao ihany no natao an’iny. Henjana ny resaka fandraharahana ny vary eto ary sarotra ho an’ny Fanjakana ny hifehy an’io satria efa tambajotra goavana. Hatreto aloha tsy mahomby ny baiko midina, ary misy ny mpandraharaha ara-toekarena maneho, fa vao mainka hiteraka olana io satria isika efa niditra tamin’ny fanalalahana na “liberalisme”. Herintaona izay ny SPM (State Procurement of Madagascar) orinasam-panjakana hiantsoroka ny fanafarana ireo entana ilaina andavanandro (PPN), toy ny vary, solika,…. Nahoana no lasa mandady amin’ny mpandraharaha ny Fanjakana kanefa efa resaka aina ity ary krizy no vahana ? Aiza ilay fampanantenana? Nihazakazaka nizara vary sy vola isika tany aloha, ka aty amin’ny fotoana tena maitso ahitra vao kofona tanteraka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT