Sosialy

Telma sy orinasa Star Hampiala voly ny mpanjifa


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny. Tsy vitsy ireo efa lasa nihazo ny faritra hahafahana miala voly kely. Ho an’ireo mbola miandry fanadinana kosa dia misy ny lalao azon’izy ireny handraisana anjara mba hampiala voly ny saina vetivety.

 

 

 

 Ny orinasam-pifandraisana Telma sy ny Star no mikarakara izany izay efa nanomboka ny 24 aogositra lasa teo. Amin’ny alalan’ny fividianana zava-pisotro Coca Cola misy sarony miloko mavo no hanatanteraka izany. Ilay kaody miafina ao anatin’ilay sarona tavoahangy no hampiasaina. Avy eo manindry ny #481# amin’ny finday telma ary manaraka ny toromarika ambiny rehetra. Tavoahangy maherin’ny 2 tapitrisa no haparitaka manerana ny Nosy mba hahazoan’ny tsirairay loka. Tsiahivina fa hisy mihitsy ny vakansy ho an’olon-droa mandritra ny andro maromaro any amin’ny Nosy rahavavy Maorisy ankoatra ireo karazana kojakoja toy ny tablette….Tanterahina isaky ny andro alatsinainy ny fisarihana.

Pati

 

 

                                                                                                  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT