Sosialy

Teknisianina mpanao solon-tongotra Betsaka ireo lasa manao mpitsabo mpanampy tsy fidiny


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Vao 105 monja hatreto ny isan’ireo teknisianina mpanao solon-tongotra eto amintsika, miasa manerana ny faritra 22.

 

 

Kely io isa io  raha oharina amin’ny isan’ny mponina, indrindra ny fanampiana ireo olona manana fahasembanana mba ho afaka handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.  Ny mampalahelo anefa, hoy ny filohan’ny fikambanana Randrianasolo Norbert dia mbola misy amin’ireo mpikambana efa vitsy ireo ihany no alefa manao asana mpitsabo mpanampy rehefa tonga eny anivon’ny hopitaly fa tsy manao ilay asa tena nilofosany tamin’ny fianarana. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo hijery akaiky ny olany. Fantatra ihany koa fa anisan’ny olana mbola sedrain’izy ireo eo am-panatanterahana ny asany ny tsy fahafahan’ny mpiara-belona. Manomboka amin’ny 5.000 Ar monja anefa dia efa afaka manamboatra ireo fitaovana ilaina amin’ny solon-tongotra hatramin’ny 660.000 Ar. Mila fanohanana ihany koa izy ireo amin’ny lafiny ara-pitaovana ankoatra ny fanamafisana ny fanofanana. Nanatanteraka  ilay kongresy andiany fahavalo tetsy amin’ny AFT Andavamamba izy ireo omaly. Haharitra telo andro izy io, hatrehin’ireo mpikambana rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT