Sosialy

Tee Shirt misy soratra BAREA Mahalafo 10 isan’andro ny mpivarotra iray


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Zary lasa akanjo nahafinaritra ny malagasy tato anatin’ny tapa-bolana izao ny manao ireo karazana tee-shirt misy ny sary ny soratra Barea an’i Madagasikara.

 Ankoatra ny olon-dehibe dia manao ihany koa ny ankiuzy madinika no sady efa nahavitan’ireo mpanjaitra karazana lamadin’akanjo ihany koa. Ho ana mpivarotra iray tetsy Isotry dia fantatra fa mahalafo tee-shirt folo isan’andro ny mpivarotra raha kely ka ireo mandeha mivoaka any amin’ny faritra no tena mividy izany. Mifangaro ao anatin’izany ny an’olon-dehibe sy ny an’ny ankizy ankoatra ireo karazana jogging na tee-shirt ambony sy ambany amin’ny loko maro isan-tsokajiny. 7.000 Ar no hamarotan’izy ireo ny tee-shirt iray ho an’ny ankizy raha mahatratra 100.000 Ar kosa ny lafo indrindra ho an’ny olon-dehibe amin’ireo marika tena izy sy miavaka. 30.000 Ar kosa ny jogging ho an’ny ankizy raha 50.000 Ar ny an’ny olon-dehibe amin’ireo karazana tsotra. Nanambara ihany koa moa ireo mpanao kisary amin’ny tee-shirt etsy Ambohijatovo fa nitombo ihany koa ny kaomandy azon’izy ireo hatramin’ny naharesen’ny ekipam-pirenena Barea tamin’ny herin’ny omaly Alahady. Manomboka amin’ny 200 isa isan’andro mantsy izany ka hatramin’ny 300.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT