Nanatanteraka fitokonana teny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika Total teny Ankorondrano omaly ny fivondronan’ireo olon-tsotra miady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny RNDC( fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa) ary ireo fiarakaretsaka miasa eto an-drenivohitra.
Efa tsy rariny intsony mantsy ho azy ireo ny fiakaran’ny vidin-tsolika eto amintsika ka tokony hitondran’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny solika sy ny fanjakana fanazavana mangarahara. Ho an’ireo mpamily fiara karetsaka manokana dia nihena hatrany amin’ny 50 % ny vola miditra amin’izy ireo hatramin’ny niakaran’ny vidin-tsolika. Aleon’ny olona iray mantsy hoy ny mpamily sendra anay mividy vary sy laoka ary mandeha an-tongotra na taxi-be 400 Ar toy izay handoa 7.000 Ar saran-dalan’ny fiara karetsaka faran’izay mora indrindra ankehitriny. Tsy misy mpanontany intsony araka izany ny fiara karetsaka ka saika mitanin’andro fotsiny sisa ny ankamaroany. Takian’ny MCI araka izany ny hampidinan’ny fanjakana ny vidin-tsolika izay mody misoko mangina ny fiakarany nefa tena mamono ny vahoaka Malagasy tokoa. Tsy hijanona intsony ny hetsika araka izany hoy hatrany ny filohan’ny MCI raha tsy hita izay tena vahaolana entin’ny fanjakana. Nomarihiny manokana moa fa ireo mpandraharahan’ny ara-tsolika eto amintsika no tena mahazo tombony amin’izao fiakaran’ny vidin-tsolika izao. Voatery nanakatona ny toeram-pivarotan-tsolika hiandraiketany mihitsy moa ny Total eny Ankorondrano vokatr’izany, omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.