Sosialy

Taxi-be Mbola nisy ihany ireo mafy loha


  • Talata 24 Martsa 2020

Na dia efa voarara tsy hiasa aza ireo karazam-pitateram-bahoaka eto Antananarivo renivohitra dia tsikaritra mbola nisy nanohy izay asany an-davan’andro izay ihany ireo fiara mpitatitra eto an-drenivohitra ny 23 martsa 2020 teo.

 

 

Tsy fanaraham-baovao ve no antony sa noho ny tsy fahampiana, sa tena fahamafisan-doha tsotra izao? Ny Taxi sy ny Taxibe moa no tena tsikaritra ho tena voasarika tao anatin’izany. Mazava ho azy rehefa nisy ny fiara dia nifandrombaka nisiska ireo olona nandeha vao maraina.Rehefa niroso teny ny ora dia nirotsaka an-tsehatra ny mpanara-maso sy ny mpitandro filaminana ary hita ho nihena ary avy eo tsy nisy intsony ihany ireo fiara fitateram-bahoaka.Tsikaritra kosa anefa fa mbola nisy ireo taxi moto niantsoantso olona tamina toerana vitsivitsy teto Antananarivo, tany amin’ny mitatao vovonana tany omaly.Niala tsimoramora ihany koa izy ireo avy eo rehefa nanao be midina ny mpitandro filaminana, izay tsy misangy mihitsy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT