Sosialy

Tavoahangy plastika Tena manimba tontolo iainana, 900 taona vao levona


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

100 ka hatramin’ny 900 taona vao levona ny tavoahangy plastika iray raha haparitaka fotsiny eny rehetra eny.

 

 

 Any amin’ny taranaka faha-16 aorian’ireo misy ankehitriny izao no mbola hizaka ny voka-dratsin’izany, antony nanosika ny orinasa Star sy ireo mpiara-miombon’antoka maro miaraka aminy hanatanteraka ilay tetikasa Kopakelatra. Omaly no  nampahafantarana izany tamim-pomba ôfisialy ka fantatra fa toerana 24 isa no hametraka ireny dabam-pako fanariana tavoahangy plastika ireny. Anisan’izany ny eny amin’ny digy, Talatamaty, Ankorondrano, Ambatobe, Tanjombato… miaraka amin’ireo toeram-pivarotana lehibe. Izany no hatao dia hiarovana ny tontolo iainana tsy ho potika, indrindra fa ny sehatry ny famokarana izay tena hilofosantsika eto Madagasikara. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny ady amin’ny fiparitahan’ny loto hananan’ny isam-baravarana fahasalamana. Manomboka any amin’ny ankizy madinika moa no hanaovana ny fanentanana mba tsy ho zatra hanary fako sy tavoahangy plastika eny rehetra eny.

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT