Sosialy

Tata-drano tentsina eto Antananarivo Nanadio teny 67Ha sy Ambodinisotry ny kaominina


  • Alakamisy 06 Desambra 2018

Na dia efa nampitaraina ny maro aza ny firotsahan’ny ranon’orana teto an-drenivohitra nanomboka ny alahady hariva teo dia fantatra fa mbola hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro izany, araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.

 

 

Voakasik’izany isika eto an-drenivohitra izay mandrafitra ireo faritra iva toa an’Ambodinisotry, 67 ha … Tsy mitazam-potsiny azy ireo ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha araka  ny fantatra mantsy dia miaina tanteraka ao anaty loto izy ireo sady tratry ny aretina mangidihidy ihany koa  noho ny firobohana rano maloto tsy miato. Ho an’Ambodinisotry manokana taorian’ny asa fanadiovana ireo tata-drano lehibe efa natao, iray volana latsaka izay dia nambaran’ny delegen’ny Boriborintany voalohany fa nisy mihitsy ny  fambolena tata-drano vaovao ho fiarovana ny mponina amin’ny tondra-drano.  Nanomboka ny alakamisy lasa teo no efa nanaovana ny asa tamin’ny alalan’ny HIMO  ka fokontany miisa 13 no indray nojerena niaraka tamin’ny SAMVA. Hitohy any amin’ny faritra hafa ny hetsika. Mikasika ny firotsahan’ny ranon’orana izay hatrany moa dia fantatra fa tsy mbola misy ahiana ny mety hiforonan’ny rivodoza ato anatin’ny dimy andro ho avy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT