Sosialy

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsy misarona, lasa fanarian’ny olona fako


  • Zoma 16 Novambra 2018

Betsaka ireo tata-drano tsy misarona intsony eto an-drenivohitra nefa antonona olona iray ny habeny. Faritra maro no ahitana izany toy ny eny Soanierana, Andavamamba, 67 ha….

 

 

Zary lasa fanarian’ny olona fako fotsiny izy ireny, indrindra fa ny tavoahangy  plastika, ny baoritra, misy hatramin’ny fatin’alika aza. Tsy mahagaga raha tsentsina vetivety  ny tata-drano raha vao avy kely ny orana. Ireo mponina eny amin’ny faritra iva no tena mahita faisana  miaraka amin’ny maloto….Antso avo no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba hijery ireo tata-drano tsy misarona eto an-drenivohitra. Tokony hosaronana mba tsy hanome fakam-panahy ny olona amin’ny fanariana fako. Ankoatra izay dia mety hamandrika olona ihany koa ary mety hamoizany ny ainy mihitsy ny fisian’izy ireny mandritra ny fotoam-pahavaratra ka mila fandraisana fepetra hentitra. Ireo zokiolona sy ankizy madinika no tena ahiana mafy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT