Sosialy

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsentsina sahady


  • Alarobia 09 Janoary 2019

Betsaka sahady ireo tata-drano tsentsina teto an-drenivohitra taorian’ny ora-nikija teto an-drenivohitra, toy ny etsy Namontana, Anosibe, Anosy, antony miteraka ny fitohanan’ny fiarakodia lavareny eny an-toerana rehefa tena miakatra ny rano.

 

 

 

 Raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Boriborintany ao an-toerana Atoa  Ramahandrimanana Solofoniaina anefa dia efa  betsaka ihany ireo ezaka nataon’izy ireo niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Anisan’izany ny fisokirana ireo lakan-drano tena lehibe saingy  ireo fotodrafitrasa mihitsy no efa tena antitra. Ho an’ny lakandranon’Andriantany manokana dia nomarihiny fa  lasa miakatra be ny rano mikoriana  ao anatiny rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao, antony  tsy mety mampihena ny rano eny amin’ny arabe raha tsy ora maromaro, aorian’ny ranon’orana.  Fepetra raisin’izy ireo ny fisokirana hatrany ny tata-drano  raha vahaolana lavitr’ezaka arosony kosa ny tokony hanoloana iray manontolo ny fotodrafitrasa mihitsy. Ho an’ireo olona zatra manome tsiny lava ny kaominina dia nomarihin’ity delege iray ity fa ny toe-tsaina mihitsy no mila ovaina. Isika ihany mantsy hoy  izy no mamono ny tenantsika noho ireo fako  hariantsika any anaty tata-drano ka ilana fitandremana izany.  Tsiahivina moa fa biraom-panjakana iray tetsy Anosy omaly no tsy azo nidirana mihitsy vokatry ny fahatsentsenan’ny lakan-drano ka tsy nisian’ny lalana niditra tao aminy.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT