Sosialy

« Task Force » MIN FOP – CNaPS tany Fianarantsoa Nanentana ny mpampiasa sy mpiasa mba hanana fiahiana ara-tsosialy


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Telovolana no nomena ny CNaPS sy ireo minisitera mpiahy mba hitondra fantenanana ny mpampiasa sy ny mpiasa.

 

Ny Tanjona dia mba hahazoan’ny mpiasa tsirairay fiahiana ara-tsosialy izay zo fototra maha olona. Orinasa am-polony no nanaovan’ny minisiteran’ny Asa sy ny CNaPS fitsidihana tampoka tao Fianarantsoa renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony. Delegasionina mafonja avy amin’ny talem-paritry ny asa sy ny lalàna sosialy, notarihin’ny taleny, Atoa Razafimahatratra niaraka tamin’ny delegasionina CNaPS notarihin’Atoa Rakotondradano Hanitry Ny Aina mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny CNaPS foibe no nanatanteraka izany tamina orinasa sy tranombarotra am-polony tao Fianarantsoa nandritra ny telo andro. Ankoatra ny fidinana ifotony dia nisy ihany koa ny fanofanana nomena ny mpiasa sy ny mpampiasa tany Matsiatra ambony. « Ny  Task Force izay tarihin’ny minisiteran’ny Asa miaraka amin’ny CNaPS dia manao fanentanana ny orinasa rehetra mba hanambara ny mpiasa rehetra eny amin’ny CNaPS sy ny hanomezany azy ireo ihany koa ny SMIE (Service Médical Inter-entreprises) mba ahatongavana amin’izay hoe asa mendrika hapetraka eto Madagasikara izay. Ny mpiasa sy ny mpampiasa dia anaovanay fantenana avokoa. Apetraka ihany koa ny fifanatonana mba hisian’ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta », hoy ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra. Ho an’ny “Task Force” moa dia tsy fanasaziana avy hatrany no ataon’izy ireo fa mbola fampahafantarana  ny lalàna  manoloana ny tsirambina ataon’ny mpampiasa. Fa ho avy kosa ny sazy amin’ny fiatombohan’ny enim-bolana faharoa ny taona 2019 ity rehefa misy ny tsy fanarahan-dalàna na toy inona na toy inona endrika isehoany, hoy ireo mpitarika ny “task force”.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT