Sosialy

Task Force MIN FOP – CNaPS Nanao fanentanana tany Betroka


  • Zoma 28 Jona 2019

Manana anjara toerana eo amin’ny toekaren’ny faritra Atsimo i Betroka.

 

 

 Noho izany no mahatonga ny “Task Force”, momba ny fiahiana ara-tsosialy, ahitana ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy (MTEFP) miaraka amin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) nanao fanentanana tany an-toerana. Ankoatra ny hetsika fanentanana ataon’ny “Task Force”, teny anivon’ny toeram-piasana maro dia nisy ihany koa ny fanofanana nokarakarain’ny sampandraharaha SASS (Service d’actions Sanitaire et Sociale) eo anivon’ny CNaPS Foibe tao amin’ny trano malalaky ny Paroisse Katolika tao Betroka centre, notarihin’i Gabriel Ramahavita, talen’ny masoivoho CNaPS. Naharitra telo andro ny fiofanana ka ireo toeram-piasana tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo mpitantana orinasa, ny mpiasa na sekoly, ny mpitondra fivavahana, ny mpiandraikitra sy mpiasa mbola ECD avy amin’ny kaominina, ny Faritra, ary olon-tsotra sy ny mpitondra fivavahana no nahazo tombony.  Nampahafantarina azy ireo ny tolotra omen’ny CNaPS ho an’ny fiahiana ny fianakaviana, ny fisotroan-dronono, ny loza vokatry ny asa izay tombontsoa tokony ho azon’ny mpiasa rehetra. Ny lalàna mifehy ny asa, ny fifanarahana arak’asa, ny fandroahana ny mpiasa dia voaresaka daholo. Ankoatra ny atrikasa dia nisy ihany koa fanentanana momba ny SST (na Santé et Sécurité au Travail), izany hoe fiahiana ny fahasalamana sy ny aro loza eny amin’ny toeram-piasana. Tanjona ny fampahafantarana ny mpiasa ny SST, ny dingana fisorohana ny loza eo amin’ny asa mba ho lasa toe-tsaina andavanandron’ny mpiasa ny fisorohana ny loza eny amin’ny toeram-piasana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT