Sosialy

Tarif OPTIMA an’ny Jirama Tolotra vaovao hampihenana ny vidin-jiro sy rano


  • Alakamisy 21 Janoary 2021

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faharoan’ny Filohan’ny Repoblika dia

 

 

 

 

hamatsy herinaratra sy rano ho an’ny rehetra amin’ny sarany mora indrindra ny Jirama. Velirano izay mifanandrify amin’ny fanarenana ny orinasa ihany koa. Hiara-mahalala ny vesatry ny faktioran’jiro amin’ny teti-bolan’ny tokantrano tsirairay, indrindra ireo tena marefo. Teo ihany koa ny fiantraikan’ny valan’aretina Covid-19 amin’ny sehatry ny ekonomia. Ireo rehetra ireo, miampy ny fahasamihafan’ny « tarif » isam-paritra no nanosika ny Jirama hiroso haingana amin’ny fampiharana ny OPTIMA. Mizara « tarif » efatra ny OPTIMA . Ho an’ny tarif social ohatra dia natao ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 100 kWh . Ny tarif économique kosa dia natokana ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 150 kWh, ny tarif confort ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 300 kWh ary ny tarif super confort ho an’ny mpanjifa mandany mihoatra ny 300 kWh. Ny tombony amin’ny fampiharana ny OPTIMA dia fampitoviana ny « tarifs » isam-paritra, fihenan’ny « tarif » ho an’ny maherin’ny 80%-n’ny mpanjifa, izay ahitàna tokantrano maherin’ny 455 000, fidinana hatramin’ny 15% ho an’ny tarif social rehetra ary 6 ka hatramin’ny 26% ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 130 kWh isam-bolana. Miankina amin’ny fandanian’ny tokantrano arak’izany ny « tarif » safidiany. Koa entanina ny mpanjifa hanatona ny masoivoho Jirama akaiky azy na hiantso ny laharana maitso 3547 na koa ny agence en ligne ao anaty tranonkala www.jirama.mg raha mila fanzavàna fanampiny.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT