Sosialy

Taribin’ny Jirama nilatsaka Olona roa indray matin’ny herinaratra


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Zandary iray nitondra moto avy namita iraka tany avaratry ny distrika Ambatondrazaka,

 

 

 izay nihazo ny lalana eo Vohitsara no tra-doza tampoka noho ny fahatapahan'ny tariby mitondra ny herinaratry ny jirama. Nipitika ilay “fil” na tariby ka nahazo ny tendan’ilay zandary . Olona roa izy ireo no teo ambony moto saingy ilay olona nentiny nipitika nilatsaka tao anaty tatatra fa izy kosa tsy afa nihetsika fa dia niraikitra tamin'ilay tariby nisy herinaratra mahery vaika. Nisy tovolahy iray nahatsikaritra an'iny dia saika hampandre kibôta iray saika handalo teo kinanjo nisy tariby takon’ny ravin-kazo tsy hitany ka nahavoa azy ary dia maty teo koa io tovolahy io. Efa matetika no mitera-doza ireo tariby mitarika herinaratra jirama ireo ka tokony hijerena vahaolana indrindra fa ny mahasahana ireo andrin-jiro hazo izay efa marefo ka mianjera na mihetry ny tany dia manapaka ilay tariby tahaka ity tranga tao vohitsara Ambohitsilaozana ity.

 

Niry A

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT