Sosialy

Tapitra ny fizarana vatsy tsinjo Mponina 295 000 no nisitraka izany


  • Alarobia 13 Mey 2020

Tapitra tanteraka ny fizarana vatsy tsinjo, araka ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny mponina. 295 000 ireo mponina nisitraka izany, ka 225 000

 

 

tamin’ireo dia teo teto Antananarivo sy ny manodidina, 30 000 Toamasina, ary 35 000 tany Matsiatra ambony, araka ny fanazavan-dRandriamananjara Naina Tale Jeneraly misahana ny fiahiana ara-tsosialy avy amin’ny Ministeran’ny mponina. Azo hambara ho vitsy ihany raha ampitahaina amin’ny isan’ny mponina sy ny fahasahiranan’ny vahoaka tsy ankanavaka. 1340 taonina ny vary voazara, tsiasisa 343 taonina, menaka 225 000 tavoahangy, savony 295 000 bara. Manana rejisitra sosialy ny minisiteran’ny mponina amin’izao fotoana izao, ary tena ilain’ny mpamatsy vola ny antontan’isa. Manomboka omaly kosa ny tetikasa hanampiana ireo sahirana any Itasy, izay hahazo tosika ara-bola. Ny FID no hiantsoroka ny fitsinjarana ny vola ary mpanara-maso ny Minisiteran’ny mponina. Hisy ny fanofanana atao an’ireo olona sahirana toy ireo tsy manana tany hovolena, ka homena tosika ara-bola sy hisy tombana isaky ny 6 volana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT