Sosialy

TAOTRANO Ritra ny kininina, niaka-bidy ny hazo


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

“Niakatra 25 ka hatramin’ny 50% ny vidin-kazo tato anatin’ny tapa-bolana”.

 

 

 

 

 Izany no fanambaran’ny mpivarokazo, Théophile Rakotomamonjy, monina sy mivarotra eny Andravoahangy. Miakatra daholo ny vidiny hatreny Ankadindratombo, Isotry,

Andravoahangy ary nipaka hatreny Ambavahaditokana Itaosy ary tsy nahitana hazofisaka kininina avokoa. Tamin’ny tapaky ny volana febroary no nisy hazo fisaka kininina farany teto aminay,

8.000 Ariary ny 4 m amin’ny tavany 17 sm ny volana janoary, tafakatra 15.000 Ariary tamin’ny nivarotanay farany noho ilay izy efa noraisina lafo ary vao tonga dia ritra avokoa”, hoy i Lalao

Rasoanimanana, mpivaro-kazo eny Isotry. Nambaran’ireo mpivaro-kazo fa ny vaovao diso nahitsy mikasika ny fandrarana fanapahana hazo no nahatonga izany. Na efa nanitsy aza ny minisitera voakasika, ny hazo sarobidy sy ny ala arovana ihany no voakasiky ny fandrarana, mbola maresaka any anaty ala ny feo mandrara manapaka hazo. Ny hazo sisa tonga eto an-drenivohitra, raha ny filazan’izy ireo hatrany, dia ireo efa ambiny voakapa sy voasisy ary voatsofa tany aloha ka midangana be ny vidiny. “Ny lalana ratsy, ny tahiry sisa tavela tany an’ala no mba tafakatra. Ny hazo fisaka kesika 14 sm izao 6.000 Ariary raha 3.500 tamin’ny voalohan’ny taona.

Ny gorodona kininina singany 5 amin’ny 8sm lasa 30.000 ariary ary 55.000 ny hazo ala. Valin-tafo kesika 10 sm ny tavany amidy 60.000 Ariary ny singany 10. Ny madrie kininina 13x4 dia 20.000 Ariary raha 35.000 ariary ny vidin’ny 17x7 sm izay amin’ny refiny 4m avokoa, hoy i Max Randriamahazomanana, mpivaro-kazo eny Itaosy. Araka ny voalazan’ireo mpivarotra hazo manerana an’Antananarivo, manomboka volana mey no mandeha ny tsena fa miroborobo ny fanamboarana trano amin’io.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT