Sosialy

Taom-piotazana letisia 2022 1300 Ar ny vidy farany ambany andraisan’ny orinasa ny 1 kilao


  • Zoma 18 Novambra 2022

andro vitsy mialoha ny fisokafan’ny taom-piotazana. Noferana ho 1300Ar ny vidy farany ambany andraisan’ny orinasa mpikirakira ny 1 kilao amin’ny letisia amin'ity taona 2022, izany hoe hatramin'ny faran'ny taom-piotazana.

1200 Ar moa izany teo aloha. Fepetra noraisina io ho fitsinjovana ny mpisehatra eo amin’ny letisia indrindra fa ireo mpamboly izay nahasarotiny ny Minisitra hatrany ny momba azy ireo. Nisy ny fitsidihana ireo orinasa mpikirakira sy mpanondrana letisia ao Toamasina toy ny Litchis SCIM sy ny Quality MAD. Ity farany dia orinasa malagasy tanteraka satria teratany malagasy no tompony ary mampiasa malagasy. Fotoana ihany koa izao nifampitafan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy nifanakalozany hevitra tamin’ireo mpamboly letisia, nihainoany ny olana iainan’izy ireo eny ifotony. Tsy diso anjara tamin’ny firesahana tamin’ny Minisitra misahana ny Varotra koa ireo mpanangom-bokatra taorian’izany. Ho fantatra amin'ny faran'ity herinandro ity moa ny daty fanombohan'ny fotoam-piotazana. Efa miantsona ao amin'ny seranantsabo ao Toamasina ao ny sambo iray amin'ny roa hitondra ny vokatra mankany ivelany. Momba ny lavanila dia hentitra ny Minisitra misahana ny Varotra raha nilaza androany tany Toamasina fa roa ihany no varavarana ivoahan’ny lavanila malagasy mandritra izao taom-panondranana nanomboka ny 15 Novambra 2022 lasa teo izao. Tsy iza moa ireo fa ny Seranantsambon’i Toamasina sy ny Seranam-piaramanidina eny Ivato. Ho fiomanana amin'ny fahavaratra, dia nijery ny momba ny PPN toy ny vary, menaka sakafo, siramamy sy simenitra izy. Efa nomeny toromarika koa ireo mpiara-miasa aminy manerana ny Nosy hiomana sy hametraka ny paik’ady amin’ny famatsiana ny faritra samihafa amin’izao maitso ahitra izao.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT