Sosialy

Taom-pambolem-bary 2019-2020 Nankasitrahana ireo mpamokatra mendrika


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Ny distrikan` Anjozorobe no nisantarana ny Dokany Mora ho an`ny Mpamokatra

 

 

(DMM) ny sabotsy lasa teo. Ity farany dia fitaovana entin'ny Fanjakana hanamoràna ny fahazoan'ireo mpamokatra (mpamboly, mpiompy, mpanjono) Fitaovana sy hanam-pamokarana mba hampiakarana ny vokatra ka ahatraran'ny Malagasy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mpandraharaha mpivarotra fampitaovam-pamokarana iray isaky ny distrika no omen'ny MAEP ny "LABEL” raha mahafehy ireo fepetra ilaina. Mahakasika ny fampiakarana voka-bary 2019-2020 indray dia ny faritra Alaotra Mangoro no vokatra ambony indrindra azo tamin’ny fifaninanana voka-bary 2019-2020 izay nataon'ny MAEP eran’i Madagasikara satria dia mamokatra 14,5 taonina/ Ha. Notanterahina tao Anjozorobe ny fizarana loka ho an’ireo tantsaha 3 mendrika amin’ny famokarana masomboly sy famokarana vary akotry manerana ny faritra 13 tamin’ny voka-bary 2019-2020. 8 tapitrisa Ariary ny loka ho an’ny voalohany, 4 tapitrisa Ariary ho an’ny faharoa ary 2 tapitrisa Ariary ho an’ny fahatelo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT