Sosialy

Taom-baovao Iraisana 2019 any Toamasina Ho fampihavanam-pirenena tokoa


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Ny tanànan’i Toamasina indray no handray ny fankalazana iraisan’ny Malagasy ny taom-baovao amin’ity taona ity, araka ny tapaky ny vovonamben’ny Raiamandreny ara-drazana tany Fianarantsoa ny volana septambra 2018.

 

Fankalazana fanintelony no hotanterahina ny 20, 21, 22 septambra any Toamasina io raha Antananarivo no nanombohana azy ny taona 2017. Mivoatra ary hiavaka ny seho amin’ity taona ity, raha ny nambaran’ireo foko miaina ao Toamasina mivondrona anatin’ny “Andriambo” tarihin’ny Tangalamena Naivo Michel, noho ny hisian’ny “Carnaval” maneho ny maha izy avy ny foko 22 misy eto Madagasikara. Hisy toy ny efa fanao ny nofon-kena mitam-pihavanana sy ny vovonamben’ny Raiamandreny ara-drazana ahafahana mametraka ny tohin’ny hetsika. Nanambara ny fahavononany ho amin’ny tolo-tanana rehetra ihany koa ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’i Toamasina Jean Christin Razafimanana, hahatontosa amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fankalazana. Nankasitraka ny zotom-pon’ny Raiamandreny ara-drazana amin’ny fampiraisana ny foko rehetra ihany koa ny tenany ny amin’ny fametrahana ny hetsika, izay nosokajiany ho fampihavanam-pirenena vita.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT