Sosialy

Taolagnaro sy Sambava Tonga ny vary mora 860 taonina


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Manamafy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana fa tsy ampy ny tolotra manoloana ny tinady ara-bary

, ka hitsinjovana ny mponina noho ny tsy fahampian'ny vary eny an-tsena ary hiatrehana ny maintso ahitra ireo vary ireo ny fanapariahana vary mora. Tonga tao Sambava ny faran’ny herinandro teo ny sambo nitondra ny vary tsinjo milanja 460 taonina, ary toy izany ihany koa ny tany Taolagnaro izay milanja 400 taonina. Nohamafisina fa fa 2000ar/kg ary 600ar/kapoaka eny amin'ny mpaninjara. Handray fepetra hentitra ny Fitaleavam-paritry ny Minisitera raha toa misy mpandraharaha minia mandika izany vidiny ara-drariny izany. Ilaina vahaolana vonjimaika, toa itony, saingy mila manova politika tsikekely isika satria ny mpitondra ihany no milaza fa ny saran’ny fitaterana sy ny fanafarana entana dia niakatra 1000%, ka raha 2500 dolara ny saran’ny kaontenera miala any Chine mankany Etazonia, dia efa tafiakatra 25 000 dolara. Tokony hazava ny politikam-panjakana hoe: raha 80% amin’ny entana ilaintsika no hafarana amin’izao, dia tokony ho 50% ohatra sisa hatramin’ny 2023.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT