Sosialy

Tany sy vato nihotsaka teny Tsimialonjafy Razana roa sisa no karohina


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Razana roa hatramin’ny omaly no hita teny Tsimialonjafy taorian’ny fikarohana nataon’ireo vondron-kery maro samihafa nahitana ny tafika, ny skoto, ny tily sy ny Antily, ny FID.

 

 

 Ny iray  ilay zazakely vao efa-taona monja. Lehilahy lehibe iray tavela tao ambony rihina kosa ny iray. Omaly antoandro ity farany no hita. Efa nisy iray tazana ihany koa saingy mbola tany anaty tany lalina mirefy 1 metatra, raha ny fanazavan’ny Kapiteny Nirina Enselme, tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Efa nisy ra sy potika atidoha niparitaka ihany koa teny amin’ny manodidina io razana io, raha araka ny fanazavany, antony tsy nampanano sarotra ny fikarohana azy. Tsy marina ny filazan’ny olona sasany fa tsy miasa izahay, hoy izy. Marobe  ireo olona mifanome tanana amin’ny fikarohana ny razana.  Mikasika ny fampiasana ireo fitaovana raitra toy ny  pela  mekanika manokana  dia nomarihiny fa vita ary azo hatao tsara izany raha mety ny lalana saingy tsy hahafahan’ny fitaovana toy ireny miditra ity toerana nisy ny fihotsahan’ny tany ity, hoy hatrany izy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT