Sosialy

Tany lasan` ny vahiny Mila fitsarana mangarahara


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Sehatra iray ahitana olana ara-pitsarana indrindra ny resaka fananan-tany eto Madagasikara. Fanamafisana ny ezaka fiarovana izay ny fizarana taratasy fananan-tany mihoatra ny 200.000 manerana ny nosy amin`ity taona ity, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian.

 

 

 Sehatra iray lehibe hanampiana ny mponina, indrindra ny any ambanivohitra ny fiarovana azy ireo amin`ny fananan-tany. Izany ve afaka hiaro ny Malagasy amin`ny vahiny ? Tsy misy maharatsy azy ny tetikasa saingy kosa mitaky lamina maty paika sy mazava ary mangarahara. Tena miharihary fa amidy atao varo-boba i Madagasikara. Tena efa ho lava ny fahenoana saika ho isan’andro lava izao fa misy trano arodana atsy, misy kianja fefena aroa, satria lasan’ny vahiny ny tany. Firy ny raharaha fananan-tany dinihana eny amin`ny Fitsarana ? Vitsy ny Malagasy mahazo rariny manoloana ny vahiny. Sao sanatria hanao izay hahazoan’ny vahiny tombontsoa fotsiny dia avy eo hiala andraikitra rehefa tena very tanteraka ny firenena.

Marigny A.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT